Ramidy mpikamban’ny CFM

Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana


  • Talata 12 Martsa 2024

Tsy milamina ny tany ! Maty nisy namono tamin’ny fomba feno

habibiana Ramidison Avonelina na Ramidy no ahalalan’ny maro azy, Mpikamban’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na CFM Amoron'i Mania. Tany anaty ala tao Tsarasaotra, Kaominina Ambanivohitra ao amin’ny Distrika Ambositra no nahitana ny vatana mangatsiakany. Feno ratra ny lohany sy ny tanany, raha ny tatitra avy any an-toerana, izay midika fa tsy fahafatesana voajanahary fa vono olona niniana natao. Mpikambana CFM Amoron'i Mania i Ramidy. Ankoatra ny naha mpikamban’ny CFM azy, dia Administratera sivily misotro ronono izy, Mpampianatra tao amin'ny INFA (Institut National de Formation Admnisitrative) sy ENAM (Ecole Nationale d’Administration de Madagascar) Androhibe teo aloha. Efa nitazona andraikitra maro teto amin'ny firenena sy ny Faritra Amoron'i Mania ihany. Nanokatra fanadihadiana ny Zandarimariam-pirenena hikarohana ny nahavanon-doza. Ranolava ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy, hany ka hatramin’ny olona mpandamina fiarahamonina aza itony misy mamono amin’ny fomba feno habibiana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT