Fandriampahalemana

Ramatoatratra nangalatra mangahazo Nosorana sakay ny tarehiny, nampandoavina lelavola 200 000 Ar


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Tsy nananan’ireo fokonolona ny Renim-pianakaviana iray tratra nangalatra mangahazo tao amin’ny Fokontany Ankapila ‚

kaominina Antsirabe Nord Distrikan'i Vohemar omaly. Ankoatra ny fanalam-baraka natao azy mantsy dia nosoran’izy ireo sakay ihany ny vatany iray manontolo ka anisan’ireny ny tarehiny izay nampijafajafa fatratra ity Renim-pianakaviana tratra nangalatra ity . Tsy vitan’izay fa mbola noterena nanefa lela-vola ( 200 000 Ar ) ny anaovavy. Niaiky ny heloka vitany ity Ramatoa ity. Na izany aza dia nitsotra kosa izy fa noho ny fahasahiranany no nanosika azy hangalatra. Marihina moa fa taratry ny fahasarotan’ny fiainana eto amintsika ny fangalarana mangahazo tahaka izao. Lasa tsy mifandefitra intsony ihany koa ny olona noho ny fahasahiranana hatrany. Anatra ho an’ireo manana toe-tsaina hangalatra araka izany ity tranga ity. Aleo mantsy miezaka na dia manasa lamba aza toy izay hampahoriana sy alaim-baraka tahaka izao no sady mbola hampandoavina vola ihany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT