Fandriampahalemana

Ramatoa nitondra volabe Ny mpanampiny no niantso mpanendaka handroba azy


  • Sabotsy 23 Mey 2020

Ramatoa iray handeha hamonjy fodiana no nanaovan'ireto mpanendaka roa ny asa ratsiny ny 14 mey lasa teo tany Antsirabe.

 

Niaraka tamin'ny zava-maranitra ( Trident sy antsy lava) izy roalahy ireto nanendaka ilay ramatoa ka rehefa azony ilay poketra dia nitsoaka izy ireo. Hitan'ny fokonolona izany ka raikitra ny fanenjehana ireto mpanendaka, nisy ihany koa ireo olona hafa niantso polisy. Tratran'ny fokonolona ihany ireto olon-dratsy ka raikitra ny fikasihan-tanana nataon'ireo olona nanenjika azy ireo. Tao anatin'ny famonoana ireo olon-dratsy no nisy lehilahy iray nanararaotra sady namono no naka ilay poketra teny amin'ireto mpanendaka no sady niala moramora teo amin'ilay fisavorovoroana. Nisy nahita anefa ny fihetsika nataon'ity tovolahy ka niantso ireo polisy vao nigadona teo amin'ilay toerana izy. Ny polisy indray no nanenjika ity mpanararaotra ity ary dia tra-tehaka ihany koa ity farany. Rehefa natao ny fanadihadiana ireto mpanendaka dia fantatra fa nahazo vaovao tamin'ny mpiasa iray izay miasa ao amin'ity ramatoa ity izy roalahy fa hoe mitondra vola be ilay ramatoa ka izay no antony nanafihan'izy ireo ilay ramatoa. Tsy niandry ela ihany koa ny polisy fa avy dia nisambotra ity mpiasan'ilay ramatoa rehefa fantatra fa niray tsikombakomba tamin'ilay jiolahy izy. Miisa 4 araka izany ireo olona voasambotra mahakasika ity raharaha ity.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT