RAIKELY NAHAVANON-DOZA

Tsy namelany raha tsy simbany ireo zana-badiny 2


  • Talata 18 Novambra 2025

Lehilahy lehibe ray 50 taona no fantatra

fa nanolana zazavavy kely vao 9 taona sy 13 taona izay tsy iza fa zana-badiny ihany tany Firavahana. Marary eo am-pandriana ramatoa vadiny, antony nahafahany nanararaotra ireo zaza ireo. Ny 14 Novambra lasa teo tamin'ny 4 ora folakandro no nisehoan'ny tantara raha tsiahivina. Nanaovany ny filan-dratsiny tany am-patsakana rano ilay 9 taona.Ny alin'iny dia mbola niverenany indray niaraka tamin' ilay zokiny tao an'efitra fatorian'ireo zaza.Nitaraina tamin-dreniny ireo zaza ny 15 Novambra ka niditra an-tsehatra ny zandarimaria rehefa naheno ny zavamisy ka nisambotra ity raim-pianakaviana ity. Tazomina mba hatao famotorana ary ho atolotra ny fitsarana ny anaolahy. Ireo zaza kosa dia natolotra ny toeram-pitsaboana mba ho arahi-maso akaiky ny fahasalamany.
Pati
Légende : Ity ilay lehilahy lehibe tsy mataho-tody !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT