Fandriampahalemana

Raharaha vaky fonja Ikongo Ampangain’ny mpitsara ny depiote Brunel


  • Zoma 15 Desambra 2017

Nisy vono olona tany Ikongo, nisy olona 10 voarohirohy. Efa saika hanaovan’ny fokonolona fitsaram-bahoaka saingy voasakana, ka nalefa teny amin'ny fitsarana ary nampidirina am-ponja vonjimaika daholo.

 

Tao anatin’izany ny solombavambahoaka Brunel Razafitsiandraofa no niteny foana fa hoe: manao kolikoly be ny Fitsarana any Ikongo ka tsy matoky ny Fitsarana izy, ka dia nidina tany an-toerana izy, hoy ny eo anivon’ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) tao anatin’ny tambajotran-tseraserany. Tonga ny roa andro, dia ireo fa nirohotra ny fokonolona 800 isa andeha haka ireo voafonja 10 hovonoin-dry zareo fa maso solon’ny maso. Sady nandaitra tamin’ny fokonolona ny resaky ny depiote hoe: tsy azo atokisana ny Fitsarana fa dina ihany no ilaina, hoy ny SMM. Tonga tany amin’ny fonja ireo olona dia tsy voatohitry ny mpandraharaha ny fonja fa namaky vavahady, ka nanao tifi-danitra izy ireo dia nitsoaka satria tratry ny be no ho vitsy. Niditra tao ireo fokonolona dia novohain’izy ireo nidanadana ny fonja. Tsy hitany tao ireo olona notadiaviny ka vao mainka izy ireo romotra. Navelany nidanadana teo ny fonja dia nitsoaka tao daholo ny voafonja 120 isa. Ary nisy mpandraharahan’ny fonja nalain’ireo fokonolona takalon’aina dia notapahin’izy ireo ny tanany. Dia niditra nanelanelana indray i ddepiote Brunel nifampiresaka amin’ny  Ampanjaka sy ny fokonolona. Manahirana ny zava-misy rehefa olom-panjakana no tsy mahafehy ny teny avoakany, hoy ny SMM. Tsara ny manamarika fa nezahina nantsoina ity depiote lany tamin’ny anaran’ny antoko Mapar ity manoloana izao toe-javatra izao, saingy tsy tratra antso mihitsy. Na izany na tsy izany dia tompon’andraikitra amin’ny zava-drehetra na ny eo anivon’ny fandraharahana na ny fonja na ity olom-boafidy ity, ka ny zava-dehibe dia ny fifandaminana sy ny fitadiavana marimaritra iraisana, fa tsy ny fanilihan’andraikitra. Tsy ho hay anefa izay mety ho fandetehana ity depiote ity manoloana izao toe-javatra izao satria fahita eto amintsika ny hoe zara aza misy hanilihana sy ny hoe ny valala misy ny mpilaza mahay. Miandry izay ho tohin’ny raharaha ny rehetra.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT