Raharaha Rasazy Narindra

« Manana singam-baovao ahafaha-mitazona ny Fitsarana! »


  • Talata 11 Martsa 2025

Taorian’ny resabe sy adihevitra samihafa, nitondra fanazavana mikasika ny raharaha famonoana an-dRasazy

Narindra na Raniriarivony Narindraniaina ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, Ramatoa Rakotoniaina Narindra Navalona, omaly alatsinainy 10 martsa 2025. Miisa18 ireo olona nentina teo anatrehan’ny fampanoavana ny 07 martsa, araka ny tatitra nataony. Loham-piampangana 4 no hanenjehana azy ireo : famonoana olona niniana nomanina voatondro sy faizin’ny andinin-dalàna 297, 298 ary 203 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana ; Firaisana tsikombakomba tamin’ny famonoana olona niniana nomanina izay voatondro sy faizin’ireo andinin-dalàna telo voalaza etsy aloha. Mety hahavoasazy ireo voapanga hiasa an-terivozona mandrapahafaty ireo loham-piampangana roa ireo. Loham-piampangana fahatelo ny fihazonana fitaom-piadiana tsy nahazoana alalana izay voatondro sy faizin’ny andininy faha-96 amin’ny lalàna 69.011 tamin’ny 22 jolay 1969 ka mety hahavoasazy 1 ka hatramin’ny 6 volana. Fahaefatra ny fidirana amin’ny fikambanan’olon-dratsy, faizin’ny andininy faha-265 sy 266 amin’ny fehezan-dalàna famaizana, mety hahavoasazy asa an-terivozona mandra-pahafaty. Nilaza io tonia mpampanoa lalàna io fa manana singam-baovao na «éléments » nahafahana nampiditra am-ponja vonjimaika ireo voarohirohy mandra-pahatongan’ny fitsarana ny mpanao fanadihadiana sy mpitsara mpanao famotorona. « Anisan’izany ohatra ny resaka an-tariby na somaiso (sms) nifanaovan’ireo mpaniraka sy ireo mpanatanteraka ny famonoana », hoy hatrany ny tonia mpampanoa lalàna. Efa ahitana soritra sahady ny mety vesatra mianjady amin’ny voapanga tsirairay izany resaka an-tariby. Nisy, hoy ny tonia mpampanoa lalàna, ny niezaka namafa ny porofo, kanefa rehefa natao ny fanadihadiana lalina, dia hita ny anjara andraikitry ny voapanga tsirairay tao anatin’ny raharaha. Nampahatsiahy ny tonia mpampanoa lalàna fa tsy azo atao ny manonona ny anaran’ny voampanga na mamoaka ny sariny amin’ny fitaovan-tserasera rehetra mba ho fanajana ny « présomption d’innocence » na ny fiheverana ny olona iray ho meloka rehefa mbola tsy misy ny didim-pitsarana raikitra manameloka azy. Andrasana ny tohiny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT