Raharaha Rasazy Narindra

Hiakatra fitsaràna rahampitso


  • Talata 04 Novambra 2025

Rahampitso alarobia, raha tsy

misy ny fiovàna, no hiakatra fitsaràna ny raharaha Rasazy Narindra na Ranivoarivony Narindraniaina. Ity farany moa izay ben’ny tanànan’ny kaominin’i Mangataboahangy, distrikan’Ambatofinandrahana, ary maty nisy namono taorian’ny fampisalorana samboady azy ny febroary tamin’ity taona ity. Ben’ny tanàna isan’ireo tanora indrindra izy no nisy nanakana teny an-dalana nody ny fiara nitondra azy ary nitifitra nahafaty ity ben’ny tanàna ity. Tsiahivina fa isan’ireo voarohirohy tamin’ny nahafaty ity ben’ny tanàna ity ny anadahiny. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha izay voalaza ho mifaningotra lalina amin’ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao an-toerana ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT