Fandriampahalemana

Raharaha omby any Antanimeva Te hihaona mivantana amin’ny praiminisitra ireo voakasika


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Tsy mbola nahitam- bahaolana hatramin'izao ilay resaka omby an- jatony nalain'ny miaramila mpampandry tany tao amin'ny fokontany Maharihy ao Morombe sy nogiazany ao Antanimeva.

 

 

 

 Mahavalalanina ny maro anefa fa ireo miaramila naka ny omby ihany no mbola nametrahana andraikitra handamina ny raharaha miaraka amin'ny Dinabe fa nailika tanteraka ny zandary, polisy, atitany ary ny fitsarana. Nandalo teto  an- drenivohitra indray tamin’ny faran’ny herinandro teo, Atoa Mahatratsy Jean, mpitondra tenin'ny fianakavian'Atoa Jaonary ka nisaotra sy nankasitraka ny filoha izy naniraka ny praiminisitra sy ireo minisitra mpikambana ao amin'ny governemanta notarihany nidina ifotony tany an- toerana. Mijoro anefa ny tenany satria tsy tanteraka akory ny fihainoana azy ireo izay nampakaran'ny praiminisitra ireo voakasiky ny raharaha rehetra tany Toliara tamin'ny alakamisy lasa teo, ka mampisamboaravoara ny olana indray. Ho an'ny fianakavian'i Jaonary  dia tokony homena andraikitra handamina ny raharaha koa ny mpitandro filaminana mpisava bokin'omby. Mitaky ihany koa izy ireo ny hampiakarana ny raharaha eny anivon'ny fitsarana sy hampiharana ny tapaka ao anatin'ilay PV laharana 042 tamin'ny 15 aogositra 2019 izay efa eny anivon'ny fitsarana. Marihina fa mahazo fandrahonana sy terena  hamoaka an'Atoa Jaonary, tompon'ireo omby ny fianakaviana. Izy io anefa tsy hita izay misy azy ary tsy misy fifandraisana efa ho iray volana mahery izay. Farany dia nambaran’Atoa Mahatratsy Jean fa manam-paniriana ny hihaona mivantana amin'ny praiminisitra sy ireo minisitra isanisany voakasik'ity raharaha ity ireo solontenam-pianakaviana hitondra ny porofo sy ny fanazavana ny zava-nisy marina momba io raharaha io.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT