Raharaha « kidnapping »

Dahalo telo no maty voatifitra


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

Trano mitoka-monina, mangina, lavitry ny tanàna, natao zohy fieren'ny dahalo

no nidiran'ny zandarimaria Imerina Centrale afak’omaly Talata 12 Desambra. Anisan’izany ny ao Beandrarezina, toerana mangina sy kizo, atahoran'ny mpandalo, ao amin'ny fokontany Ambohitsoa Kaominina Beronono distrikan'Anjozorobe.Efa nokarohina hatramin’ ny ela i LEBA sy ny ekipany, dahalo isan'ireo lohany amin'ny fakàna an-keriny tao amin'ny Distrikan’ Ankazobe, Anjozorobe sy Ambohidratrimo no sady mpangalatr'omby sy mpanao halatra mifangaro herisetra, izay mirenireny tsy manana fonenana raikitra. Fantatra fa tao amin'io trano mitoka-monina io no fieren'izy ireo sy famolavolany ny fanafihana rehetra ary fiafenany rehefa avy manao asa ratsy. Notsenain'ireo dahalo tamin'ny tifitra variraraka avy hatrany anefa ireo zandary sy fokonolona rehefa akaiky. Naharitra ora 5 ny ady satria namahatra tsy nanaiky ny hidiran'ny zandary ao anaty trano ireo dahalo, ka dahalo 3 lahy no namoy ny ainy, roa hafa kosa naratra mafy raha tafatsoaka ny namany sasany. Basim-borona miisa roa no tavela, niaraka tamin'ny bala efa nipoaka miisa 17, niampy mohara sy tavoahangy feno ody ratsy.Tsy nisy naratra kosa ireo zandary sy ny fokonolona nifanome tanana.
Pati
Legende : Ireto mitsirara ireto izy telolahy namoy ny ainy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT