Fandriampahalemana

Raharaha “kidnapping” 200 tapitrisa Ar ho an’izay mahita an’i Lama


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Nanatontosa valan-dresaka momaba ilay fakana an-keriny an’I Anil Karim mpandraharaha karana mpamongady fanafody niseho ny 27 aprily 2020 teo teny Ambatobe ny Jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka Kaomandin’ny

 

 

 

Zandarimariam-pirenena ny 30 aprily 2020. Fantatra fa Ramandiamanana Norbert na “LAMA”, mpamerin-keloka ikoizana amin'ny asa fakana ankeriny ka efa notadiavina an-taona maro, no anisan'ny nahavanona io fakana ankeriny io, hoy ny fanazavany. Karohina fatratra araka izany izy ankehitriny. Tambiny 200 tapitrisa ariary no homen’ny fanjakana amin’ny alalan’ny zandarimariam-pirenena ho an’izay manome loharanom-baovao ho fisamborana io olona io. Mahavita Tosika Fameno ho ana olona 2000 io volabe io. Tanana ho tsiambaratelo ny mombamomba izay manome vaovao ary tsy maintsy arovana. Manao antso ny zandarimaria ho an’izay mety mahafantampantatra na mety mahafantatra na koa mety mahita trangan-javatra hafahafa any amin'ny toerana misy antsika tsirairay avy any mba hampandre haingana ny Mpitandro filaminana. Izany dia mba ahafahana manao ny hetsika avy hatrany sy handraisana fepetra. Ny fampiantranoana ireny olona ireny dia raisina avy hatrany ho mpiray tsikombakomba amin'izy ireo, hoy ny zandarimariam-pirenena.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT