Fandriampahalemana

Raharaha Imerintsiatosika “Hisy fepetra horaisina raha diso ny zandary”


  • Talata 29 Desambra 2020

Tsy azo ekena sy tsy ilaina ny fitsaram-bahoaka fa aleo ny lalàna sy ny fitsarana no manapaka;

 

handraisana fepetra avy hatrany ny zandary mandika fitsipi-pifehezana sy lalàna. Tsy marina ny fanosoram-potaka hatao amin'ny tambazotran-tsosialy fa tsy mandray andraikitra ny Zandarimaria manoloana ny fihoaram-pefy ataon'ny zandary sasany, hoy ny eo anivon’ny Fiadidian’ny zandarimariam-pirenena taorian’ny resabe momba ilay raharaha tany Imeritsiatosika fa nandray andraikitra hatrany amin’ny mety ho fihoaram-pefy ataon’ny zandary. Nanao tatitra, fa ny taona 2019, dia zandary 84 no nigadra ; nanomboka janoary 2020 ka hatramin'ny 24 desambra 2020, dia nandray andraikitra manoloana ireo fandikan-dalàna nataona zandary, ka taratasim-panenjehana zandary miisa 97 no nosoniavina sy navoaka (Autorisation de poursuite); Zandary 41 naiditra am-ponja vonjimaika; Zandary 10 no nigadra taorian'ny fitsaràna; Zandary 60 nandika fitsipi-pifehezana no efa voasazy arak'asa. Tsapa fa tsy mbola nisy hatreto Ministera na Andrim-panjakana nandray fepetra hentitra toa izany, hoy io departemantam-panjakana io. Raha nisy tokoa ny tsy nety nataon'ny zandary tamin'iny raharaha iny Imerintsiatosika iny dia horaisina ny andraikitra. Fa raha tsy mitombina kosa izany dia hohenjehina araka ny lalàna velona ireo anisan'ny nanely tsaho nahatonga ny fanafihana tobin'ny zandary, izay nanao iny fanambarana tamin'ny haino aman-jery iny sy ireo izay naneho tamin'ny tambazotran-tsosialy, hoy ny zandary. Tsy hanaiky fanafihana toby izany mihitsy ny tompon'andraikitra eto anivon'ny Zandarimariam-pirenena. Misy andinin-dalàna mamaritra ahafahana mampiasa fitaovam-piadiana raha misy izany, ka isaorana an'Andriamanitra tsy nisy aina nafoy avy tamin'ireo mpanafika. Anterina hatrany, raha misy ahiana mikasika ny fomba fiasan'ny zandary dia aza misalasala mametraka fitarainana na fitoriana amin'ny “Service de traitement des doléances” eo anivon'ny SEG na miantso ny 0341401388 na 0341200525 na ny mailaka "doleancesgendarmerie@gmail.com". Manantitra ny teny fampiononana ho an'ny fianakaviana mana-manjò tompoko, hoy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT