Fandriampahalemana

Raharaha halatra omby 865 Nampirimina ny dosie ?


  • Alarobia 05 Jolay 2017

Very nandritra ny asan-dahalo ny 12 mey 2016 tao amin’ny toerana antsoina hoe Angodogodo,

 Kaominina Betsipolotra, Distrikan'i Miandrivazo, Faritr’i Menabe.  ny omby miisa 348 izay novidian’ny mpandraharaha iray tao amin’ny tsenan’Antsalova ny 24 mey 2014, saika hoetina tany amin’ny tsenan’omby any Tsiroanomandindy. Mpandraharaha maromaro no niara-lasibatra, ka najifa ny omby 865. Nalefa tany amin'ny lehiben’ny distrika, ny Ben'ny tanàna, ny Borigadin’ny zandary, ny Kaomisarian’ny ny polisy any Antsalova sy ny lehiben'ny Fokontany ny fitoriana sy ny fitarainana, ka nivoaka ny  alàlana momba fafahana mikaroka ireo omby nanomboka ny 13 mey 2016. Nahita mangirana tamin’ny fikarohana ireo tompony satria nisy olona nambarany ho nahitany ny omby, ka tao ny efa nanana FIB (Fiche Individuel de bovidé) hosoka tao Ankavandra. Raikitra ny fitoriana olona miisa 8 antsoina: Ravoniarisoa Suzane, izay tratran’ny mpanara-mason’ny APF sy ny lasibatra nivarotra ny omby tao Tsiroanomandidy ny 13 jolay 2016, Razanadrakoto A(FIB NR 3006436/A), Razanaka E.L (FIB NR 3006436/A), Mandinisoa, Odon (Mpanao vaksiny ny omby), Mamonisoa Hérvé Bernardin, Maresy Leroi Francis (Ben’ny tanànan’Ankavandra) ireo lasibatra. Ny patantin’io Ben’ny tanàna io no voalaza fa nitondrana ireo omby halatra hamidy tany Tiroanomandidy. Mbola misy 3 hafa antsoina hoe Manasoa, Velo ary Sojafeno tompon’ny marika omby antsoina hoe PRR monina ao Bembozaka/Ambararatabe, kaominina Itondy, isan’ny notoriana. Nisy ny famadihana ny mariky ny omby avy nangalarina, araka ny voasoratra ao anaty fitoriana. Notoriana manokana ihany koa ny lehilahy iray antsoina hoe Lemana Volon’Ampondra, voalaza fa isan’ireo dahalo nandroba, ary efa nisy fotoana voasambotry ny zandary tao Antsalova. Nitarazoka sy tsy nahitana vokany ny raharaha, ka nanapa-kevitra ny handefa ny dika mitovin’ny fitoriana sy ny fitarainana tany amin’ny Praiminisitra, Minisitry ny Fitsarana, Sampana Fanadihadiana momba ny heloka bevava Toby Ratsimandrava, Mpampanoa lalàna any Maintirano,.. saingy tsy nahitam-bokany. Niverina nandefa fitarainana sy fampahatsiahivana  ireo lasibatra ny 8 jona 2017, kanefa toa tsy rarahiana. Ahiana ho misy ny tsikombakomba eo amin’ny manam-pahefana satria ny dahalo dia tsy mahavita taratasy sy hanadio ny omby samirery, izay azo adika ho fisian’ny kolikoly avo lenta. Manodidina ny 400 000Ariary ny omby lehibe iray any an-toerana, ka manome 346 000 000 ariary izany ny tetibidiny. Raha ny loharanom-baovao iray, dia ny zandary no nanao ny fanadihadiana saingy nafindra amin’ny polisy indray izany avy eo noho ny antony tsy mazava. Mihetsiketsika sy maneho ny hampanjaka ny mangarahara sy ny tany tan-dalàna ny Bianco sy ny Fitsarana, ka andrasana ny mety ho fidirany an-tsehatra amin’ity raharaha ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT