Raharaha fandoran’olona

velona tany Antsirabe II


  • Talata 10 Febroary 2026

Tsy nisy velona izany izy 3 lahy, tsy bevohoka ilay vehivavy maty

Namanafy ny Fitsarana ny fitsarana sy ny manam-pahefana ao Antsirabe notarihin’ny mpampanoa lalàna Rakotondrasoa Rabarisoa fa misy fanadihadiana roa samihafa mikasika ny trangam-piarahamonina nampivarahontsana tao Tsarahonenana Sahanivotry, Antsirabe II, nisian’ny raharaha fitsaram-bahoaka nahafatesana olona telo lahy nodorana velona. Voalohany hanaovana fanadihadiana ny famonoana an’i Fanirisoa Claudine izay nahatonga fisamborana olona enina: telo lahy izay tatỳ aoriana maty nodorana velona, ary telo vavy izay natolotra ny fampanoavana omaly. Misy ahiahy mazava momba ny vono olona satria voalaza fa naratra mafy ilay vehivavy, n,ambara ho nototoin’ny omby tany ampiandohana, ary nisy tsaho nilaza fa nitondra vohoka sy notatahina ary nesorina ny mason-janany. Ny fitsirihana ara-pitsaboana natao taorian’ny famongorana ny razana tamin’ny 7 febroary anefa dia nanaporofo fa tsy nisy zaza tao an-kibony, tsy bevohoka izy ary mbola nanao fanabeazana aizana araka ny fanamarinana nataon’ny vadiny, hoy ny tatitra. Faharoa, ny fanadihadiana momba ny fitsaram-bahoaka izay nahafatesan’ireo telo lahy. Na dia efa notazomina tao amin’ny paositry ny zandary tao Sahanivotry aza izy ireo, ary nafindra tao amin’ny biraon’ny kaominina ho fiarovana ny ainy, dia mbola azon’ny fokonolona ihany ka nodorana velona. Nanamafy ny fitsarana fa efa misy dingana natao hampandriana fahalemana ao Tsarahonenana Sahanivotry taorian’ny zava-nitranga ary mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny fandraisana andraikitra ataon’ny manampahefana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT