Fandriampahalemana

Raharaha fakana an-keriny Karohana i Bôly sy Sôla ary Olivia


  • Sabotsy 21 Oktobra 2017

Fantatra izao, noho ny fanadihadiana nataon’ny borigady misahana ny heloka bevava, fa i Fidimalala Rakotondrainibe (Bôly) dia miray tendro amin’i Pierre Joseph Rakotoarimanana

 (Ram’s) izay samy ekipan’i  Sôla, raindahany (chef de bande) amina  raharaha fakana an-keriny. Raha tsiahivina, teny Anosy Avaratra no adiresy farany nahafantarana fa nisy an’i Ram’s sy Olivia na Olivia Jenny Raharinirina vadiny izay samy efa namoahana ombay mitady. Nandritra ny fidinan’ny BC teny an-toerana dia efa tafatsoaka izy mivady ary navelany tao ny zanany 3 mianadahy. Marihina fa na i Ram’s na i Sôla dia samy efa nisazy teny Tsiafahy avokoa. I Sôla dia efa nigadra tamin’ny naha voarohirohy azy tamina raharaha fakana an-keriny am-polony maro ka rehefa nidoboka teny Tsiafahy ny tapaky ny taona 2015 dia nivoaka ny fonja ny farany volana desambra 2015 ihany. Fantatra fa i Bôly izay anaovana ombay mitady dia miray tendro amin’i Ram’s ary dia azo heverina  fa mety ho ambadika koa i Sôla izay samy efa karohin’ny mpitandro ny filaminana fatratra ankehitriny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT