Rado Ratobisaona

« Voaporofo fa maty novonoina »


  • Zoma 16 Aogositra 2024

Voaporo fa maty novonoina tamin'ny alalan'ny herisetra feno habibiana ny Dr Rado Ratobisaona,

araky ny valin'ny fanadihadiana izay notanterahin'ireo tompon'andraikitra isan-tokony, hoy ny fanambarana nataon’ny Vovonana yltpianina (Réseau YLTPien), ny Cercle de Réflexion des Economistes de Madagascar (CREM), sy ny mpianany mivondrona ao amin'ny « Association des Etudiants du Département Economie de l'Université d'Antananarivo » na AEDECOUA ny alarobia 14 aogositra lasa teo. Nomelohin’ireto fikambanana ireto marindrano ny hersitra sy vono olona ka namoizana ny an’i Rado Ratobisaona. Nisaotra sy nankasitraka ary nankahery sady namporisika hatrany ireo tompon’andraikitra nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fanadihadiana izy ireo, ary nampitandrina an’ireo andidan’olona na iza na izay izay ambaran’izy ireo fa mikasa amin’ny fomba rehetra hanakantsakanana ny fivoahan’ny marina. «Marina fa tsy hamerina ny ain'ny havanay ny hahalalana ny marina, kanefa takianay ny hamaizana amin'ny fomba henjana indrindra, araky ny lalana, ho an'ireo rehetra izay namono azy mivantana na ankolaka ka nandatsa-drà an'i Dr Rado Ratobisaona », hoy ny fanambarana. Ekena tanteraka ny fahaleovan-tenan'ny fitsaràna eo am-panaovana ny asany ary voalaza fa tany tan-dalana i Madagasikara, ka mahatoky ny rafitra mpanao famotorana izahay ary manara-maso akaiky ny fizotran'izao raharaha izao hatramin'ny farany, mandram-pivoahan'ny marina rehetra ireo. Nitondra fanamarihana fa io fanambarana nataony ny alarobia teo io no fanambarana voalohany mari-pototra natao momba ny raharaha Dr Ratobisaona Rado, izay nahazoana fankatoavana tamin'ny fianakaviany, ka tsy tompon'andraikitra amin'ny vaovao miparitaka eny amin'ny tambazotra sy eny amin'ny serasera maro samihafa izy ireo. Tsiahivina moa fa ny 2 jolay no hita tao an-tranony ny vata mangatsiakan'ny Dr Rado Ratobisaona, ary nahitana ratra teo amin'ny lohany tamin'izay fotoana izay. Vehivavy iray voalaza fa sakaizany moa no naiditra am-ponja vonjimaika ny 10 aogositra lasa teo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT