Prefen’Antananarivo

« Mety hiteny zavatra hanakorontana saim-bahoaka matoa sakanana »


  • Alakamisy 07 Septambra 2023

Nilaza omaly ny Prefen’Antananarivo, araka ny hita tamin’ny fampahalalam-baovao, fa mitovy avokoa ny fepetra

raisina rehefa misy hetsika atao na an-dalambe na anaty efitrano. Izy izay nanao ilay « réquisition particulière » ho an’ny mpitandro filaminana anatin’ny Emmo-reg eo anatrehan’ny voalaza fisiana loharanom-baovao amin’ny mety hisiana fanakorontanana avy amin’ny mpanohitra na ireo mpanararaotra. Momba ny fahazoan-dàlana ara-politika, nilaza io jeneraly io fa raha eto Antananarivo, dia mitovy avokoa. Nanao ny TIM nahazo, nanao ny Pro-Siteny, ny MMM,… nahazo fahazoan-dàlana avokoa, hoy ity Jeneraly ity. Nambarany fa na ny TGV aza manao fangatahana daholo rehefa misy hetsika tahaka an’io ka nahoana no tsy homena kanefa nomena avokoa ireo teo aloha, hoy hatrany izy. Afaka hahazo ny Lapan’ny kolontsaina Mahamasina daholo ary ve izany ny kandida rehetra ary hahazo alalana raha mangataka taorian’ny an’i Andry Rajoelina omaly? Momba ny fanakanana teny amin’ny ISTS Mandrimena ny alatsinainy teo dia nilaza izy fa matoa misy ny sakana, dia ny votoatin’ilay fivoriana mihitsy no miteraka fanakanana. Mety hiteny zavatra hanakorontana saim-bahoaka ka tsy maintsy sakanana, hoy izy. Nilaza ity farany, fa tsy nahazo alalana ny fivoriana nokasaina hatao teny amin’ny ISTS Mandrimena ny 04 septambra lasa teo. Mpaminany ary ve izany ny Prefe ka hahalala mialoha izay mety ho fanambarana handeha? Raha lazaina fa fanakorontanana sy fanohintohinana ny filaminam-bahoaka na ny filaminana anatin’ny firenena nahoana no tsy misy fisamborana? Tsy efa endrika fanapenam-bava manara-penitra ve izany?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT