Tonga nidina ifotony tany Tsihombe Faritra Androy, ny zoma 2 jona teo, nitokana ny tranon’ny tanora any an-toerana sady nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanatanterahana ny lohahevitra nosafidian’ny UA na Vondrona Afrikanina amin’ity taona 2017
ity dia ny fijerena ny tombontsoa amin’ny fananana mponina indrindra tanora maro ny delegasion’ny fitondram-panjakana notarihin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier niaraka tamin’ireo minisitra vitsivitsy ao amin’ny govenemanta tarihany. “Aoka ny firenena tsirairay mba hahay hisitraka na haka tombontsoa amin’ny fananany mponina ao aminy ary hitodika misimisy kokoa amin’ny tanora”no lohahevitra noraisin’ny Vondrona Afrikanina. Ho fanatanterahana ny teny voalaza fa hatomboka any amin’ny faritra atsimon’ny nosy ny fampandrosoana an’i Madagasikara no antony lehibe nanatontosana ny lanonana tany Tsihombe.
Heno tany an-toerana ny resaka politika nasionaly mahakasika ny tanora hikarakarana ny olan’ny tanora ankehitriny. Tsy anjaran’ny fitondram-panjakana irery ny fitaizana ny tanora ka manao antso avo amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny raiamandreny ara-pivavahana, ny ray aman-dreny aho samy hiaraka hientana hitaiza ny tanora satria harena ny tanora nefa vesatra raha tsy hay ny mikolokolo azy , hoy ny lehiben’ny governemanta. Nambarany fa noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny malaso, izay matetika ahitana ireo tanora tsy manana asa na voatarika amin’ny ratsy, dia efa nanaiky ny Vondrona Afrikanina fa hisy vola natokana hanarenana ny fiainan’ireny malaso niova fo ireny ka hanomezana asa azy ireo hiverenany amin’ny fiarahamonina. Anisan’ny hisitraka ny vola ny mponina amin’ny faritra atsimo. Niara-notokanana tamin’ny tranon’ny tanora ny toerana filalaovana baolina basikety niaraka tamin’ny fizarana baolina kitra 5 isaky ny kaominina sy fanomezana akanjo fanaovana fanatanjahantena azy ireo. Voaresaka tao Tsihombe ihany koa ny fanamboarana tsy ho ela ny ny lalana mampitohy an’i Vangaindrano-Tolagnaro sy Tolagnaro-Ambovombe ary Tsihombe-Andranovory.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.