Fandriampahalemana

Posy sy sarety Azo atao manara-penitra tsara


  • Alarobia 07 Febroary 2018

Olana iray mbola saro-bahana eto amintsika ny fandaminana ny posy sy ny sarety. Matetika miteraka fitohanana sy fanelingelenana amin`ny fifamoivozana izy ireny ka mahavelon-taraina ny maro.

Tsy tokony hahitana azy ireny intsony eto an-drenivohitra saingy noho ny tokantrano maro be mivelona amin`io asa io dia ho sarotra ny hanafoanana azy. “Inona no hohaninay ? Iza no hanome ny hofan-tranonay ? Sa hangalatra na hirenireny hangataka sy hatory eny amin`ny arabe izahay ?”, hoy i Noely mpitarika sarety etsy amin`ny faritra Ankazomanga. Fanatsarana no tokony hatao ary tsy mahakasika mihitsy ny vola miditra aminay izany. Inona no sakana tsy amahana ny olan`ny posy sy sarety amin`ny fifamoivoizana eto amintsika ? Tsotra ny famahana azy raha mahay miresaka sy mifandamina ny fanjakana sy ny kaominina. Ilaina ny lamina maty paika amin`ny ora fiasana sy ny lalan`ireny posy sy sarety ireny mba tsy hiteraka loza sy fitohanana. Eo ihany koa ny hamerana ny entana hoentin`izy ireny. Azo atao ihany koa ny fanaraha-maso sy ny fitsarana ny posy sy sarety ialana amin`ny loza sy ilay fijanonana afovoan`ny arabe rehefa vaky ny kodiarana na tapaka ny hazo izay mateti-pitranga. Maro ny fanatsarana azo atao, saingy sakana ny tsy fifankahazoan’ny fitondrana sy ny kaominina. Ezahina takonana mihitsy mantsy ny kaominina amin’izao fa henjehin-drafanjakana daholo ny asa ataony. Mila miova ny toe-tsaina raha te handroso  amin’ny fanatsarana ny tanàna ary mila tsinjovina hatrany ny sahirana fa tsy variana mifamingana.


 

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT