PORT-BERGÉ - FARITRA SOFIA

Voasambotra ireo 17 lahy mpisoloky


  • Talata 11 Novambra 2025

ao amin'ny tambajotra Qnet

Ravan’ny Polisim-pirenena ao Port-Bergé ny tambajotram-pisolokiana QNET. Olona miisa 17 no voasambotra izay samy tafiditra amin’ity fikasan-dratsy ity. Tambajotra efa fantatra amin’ny asa fanambakàna sy fakàna vola amin’ny alalan’ny fidiram-bola sandoka izy ity, raha tsiahivina. Tamin’ny 28 oktobra teo raha tsiahivina dia olona 13 isa no tratra voalohany tao amin’ny fokontany Ankorovaka no tra-tehala raha mbola teo am-panatanterahana fanomanana ny teti-dratsin’izy ireo amin’ny fisolokiana. Nandritra ny famotorana dia fantatra fa ny mpikambana tsirairay avy dia mitaky 3 600 000 Ar amin’ny olona izay hampidirin’izy ireo anaty fikambanana, ka lazaina sy hampanantenaina ireo olona ireo fa hahazoana tombony izany vola izany amin’ny alalan’ny fanangonana mpikambana vaovao. Taorian’izany dia olona 04 tamin’ireo no natolotra ny Fitsarana PAC ao Mahajanga na ny tendrom-pitsaràna miady amin’ny kolikoly, ho fanohizana ny raharaha. Ny 03 novambra 2025 anefa dia tsikaritra fa niverina nihetsika indray io tambajotra QNET io tao amin'ny trano iray tao Mahasalama, Port-Bergé ihany. Nandray andraikitra haingana ny Polisim-pirenena ka olona 8 no voasambotra, ahitana mpitantana 3 sy mpikambana 5 izay efa voatonona tamin’ny raharaha teo aloha. Samy efa notanan’ny Polisim-pirenena avokoa ireo voarohirohy rehetra ireo mba hanohizana ny fanadihadiana.
Pati
Légende : Ry zalahy isany 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT