Fandriampahalemana

Pompiste” nitondra volabe nitsoaka Mbola ifampitadiavana ao Sambava


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Tovolahy pompista iray afak’omaly no nitondra vola mitentina 3 ka hatramin’ny 6 tapitrisa nitsoaka tany Vavasaha Sambava.

Mpiasan’ny tobim-pivarotan-tsolika Shell izy io ary anisan’ny mpiasa tena natokisana indrindra raha araka ny vaovao azo. Vola matin’izy ireo nandritra ny tontolo andro io lelavola io hoy hatrany ny vaovao ka nahatsiaro ho tohana mafy ny tompon’ity toeram-pivarotan-tsolika ity. Na izany aza efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny raharaha. Nanamafy moa ny tompon’ity tobim-pivarotan-tsolika ity fa raha tsy mitolo-batana ity tovolahy pompiste ity dia ho avy amin’ny angady sy ny harona izy ireo ary tsy handefitra mihitsy na dia banga iray aza ny mpiasa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana pompista nitondra vola nitsoaka !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT