Fandriampahalemana

Polyteknika Vontovorona Matin’ny aretim-po ilay mpamaky trano


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Lehilahy lehibe iray namaky trano fonenan’ny mpianatra teny amin'ny CUR

 

 

Polyteknika Vontovorona no tratran'ireo mpianatra mpanao andrimaso ny alin’ny 12 desambra teo. Raha ny voalaza dia fijanonan’ny fo tampoka na “crise cardiaque” no nahafaty rehefa tratry ny tampoka tsy maha lehilahy. Efa nandrasana an-kendritohana mihitsy izy io satria misesisesy ny fahavakizana tranon’ny mpianatra eny an-toerana, ka nanapa-kevitra ny mpianatra hanao “patrouille”, ka nahatrarana ity mpangalatra ity, izay niaraka tamin’ny fitaovana toy ny “pince” sy fanalahidy maro samihafa,…. Raha ny vaovao azo, ny alarobia 16 desambra izao, dia mbola hampivory ireo Filohan’ny “bloc” isanisany ny mpitarika ny Fikambanan’ny mpianatra hiresahana ny momba ny vaky trano sy ny fandriampahalemana satria efa ho avy ihany koa ny fialan-tsasatra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT