POLISY NAMONO NY SAKAIZANY

Tratra teto Antananarivo Raveloson Loiola


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

Tratra teto Antananarivo ny Zoma 15 Novambra hariva lasa teo Raveloson Loiola Ferdinand,

ilay polisy mpiana-draharaha namono nahafaty ny sakaizany tany Toliara. Natao andrimaso tao amin’ny brigade criminelle Anosy izy hatramin’ny omaly Alahady 17 Novambra fotoana nanoratanay, taorian’ny fikarohana rehetra nataon’ny tompon’andraikitra. Raha tsiahivina kely moa dia tamin’ny alalan’ny antsy no namonoany ilay sakaizany rehefa nifamaly mafy izy roa ny datin’ny 15 Oktobra lasa teo. Teo am-baravarankely no nambaran’ireo nahita maso ho nivoahany ka nanjavona tanteraka izy tao anatin’ny iray volana. Ankoatra izao heloka bevava vitany izao moa dia mandray fepetra ny amin'ny maha -polisy azy ihany koa ny Polisim-pirenena.
Nangonin’i Pati
Legende : Sady nilaozan’ny sakaizany ity tovolahy ity no mety hilaozan’ny asany ihany koa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT