POLISY MONISIPALY- CUA

Niampy 197 mianadahy


  • Alarobia 05 Jona 2024

Niampy 197 mianadahy ireo polisy monisipaly hiasa eto an-drenivohitra.

Tontosa afak’omaly Alatsinainy hariva tao amin'ny efitra fahafito misy ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Anosy ny fianianana nataon’izy ireo teo anoloan'ny fitsarana. Amin'ny maha-"Agent verbalisateur" azy ireo no nanatanterahany izany misalotra nny anarana "Tselatra". Feno tanteraka noho izany ny fepetra amin’ny maha-polisy monisipaly azy ireo ka hisehatra ao anatin'ny tontolon'ny asa nofinidiny rehefa niofana nandritra ny herintaona sy nandalo sedra ary fampiharana arak'asa. Tsiahivina moa fa anisan’ny asa miandry azy ireo ny fanasaziana ary fampitsaharana ireo fandikan-dalana izay mifanandrify amin’ny asan’izy ireo ao anatin’ny faritry ny kaominina Antananarivo renivohitra toy ny fampiharana ny lalan’ny fifamoivoizana, ny fampanajana ny bokin’andraikitra ho an’ny fitaterana, ny fampiharana ny fehezam-pitsipika monisipaly mahakasika ny fikoloam-pahasalamana… Tsiahivina fa nivoaka omaly Talata 04 Jona koa no navoaka ireo Police des transports routiers izay manana tanjona hampihena hatrany amin’ny 50% ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika hatrany amin’ny taona 2030. Miisa 28 mianadahy moa izy ireo hiparitaka manerana ny faritra maro eto amintsika.
Pati
Legende : Ireo polisy monisipaly navoaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT