Fandriampahalemana

Polisy any amin’ny Faritra Atsinanana Nafaran’ny Minisitra mba hiasa tsara


  • Talata 08 Septambra 2020

Nitsidika ny faritra Atsinanana ny Ministry ny Filaminam-bahoaka ny controleur general Rafanomezantsoa Rodellys ny faran’ny herinandro. Nisy ny fihaonany mivantana tamin’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana ka nandinihina zavatra maro loha.

 

 

Anisan’ireny ny fandrindrana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana , ny fiandrasana vokatra misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka, ny fanovana toe-tsaina amin’ny fomba fiasa, ny fifandraisana mba hahatsara endrika ny polisim-pirenena ary fanamafisana ny fijerena ny maha-olona. Nanolotra fitaovana ho an’ireo polisy ihany koa ny Minisitra nandritra izany toy ny casques lourdes, boucliers, menottes, masque à gaz, gilet pare- balles, tonfa, cache bouches ary brassard orange. Taorian’izay dia nisy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo polisy miasa any amin’iny faritra iny mba hahafahana mamantatra ireo olana sedrain’izy ireo amin’ny fanantanterahana ny asany. Nanafatra ireo lehiben’ny sampan-draharaha isan-tsokajiny izy mba hankahery sy handrisika hatrany ireo polisy mba hanome ny tsara indrindra ho fanatsarana ny asa. Raha toraka izay ihany koa ny fikolokoloana ireo fitaovana natolony.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT