POLISIM-PIRENENA

Tsara raha mifanakara amin’ny hatsaran’ny trano ny fomba fiasa


  • Zoma 08 Martsa 2024

Nahazo toeram-piasana vaovao be ny fitaleavam-paritry

ny polisim-pirenena faritra Atsinanana. Ahitana birao, toerana fandraisana olona, toeram-piasana any ambony rihana, trano lehibe fivoriana mbola miampy trano iray mitokana fonenan’ny talem-paritry ny filainam-bahaka ity foto-drafitrasa vaovao ao Beryl Rouge Toamasina amina velaran-tany 2000 m² vao notokanana ity.Nipoapoaka aok’izany ny kabary nifandimbiasana tany an-toerana, samy nilokaloka na ny minisitry ny filaminam-bahoaka, na ny talem-paritry ny polisim-pirenena fa tena hiasa araka ny tokony ho izy . Tsy hikely soroka sy tsy hitandro hasasarana, hiezaka hampanjaka ny lalàna,ny rariny , ny hitsiny hanome ny tsara indrindra ho fiarovana ny andrim-panjakana sy ny vahoaka tsy mandady harona, izahay hoy ny minisitry ny filaminam-bahoaka. Hadio sy hangaraharaha ny fitantanana ato, hoy ireo tompon’andraikitra .

KOLIKOLY MISEHO MASOANDRO
Raha izany tokoa moa haninona fa ny iainana isan’andro aloha, na aiza na aiza toerana aleha dia tena mampiteny ny moana ny fitakiana vola ataon’ny polisy. Tena mampikolay olona amin’izany ireo polisy ambara fa mandrindra ny fifamoivoizana. Raha ho an’ny eto Antananarivo renivohitra manokana dia efa tena tsy menatra intsony mihitsy ireo polisy mitaky vola amin’ny mpamily fiara, imasom-bahoaka amin’ny andro mazava be. Tahaka ny hoe efa fandoavam-bola fanao isaky ny mihaona mihitsy ilay izy. Ka rehefa mametraka dia milamina ny resaka, tsy hay na ara-dalàna ny taratasin’io fiara io na tsia. Tsy fantatra hoe fa iza sy inona daholo ny olona sy entana entiny, fa rehefa mametraka kely dia izay aloha. Ny zava-doza amin’ity resaka ity dia ilay izy tahaka ny efa lasa fomba amam-panao ka heverina hoe mety.Kolikoly tena mivantana anefa izany, melohan’ny lalàna velona. Na misy aza ireo alaim-panahy manolotra vola, raha tena hiasa madio sy mangaraharaha marina araka ny kabarin’ny lehibeny ny polisy dia tsy mandray ary manana adidy hananatra na hisambotra mihitsy aza ireo mpanao kolikly mitady hanambitamby na hividy mpitandro filaminana eo am-panatanterahana ny asany. Raha hanadihady ny polisin’ny polisy , tsy sarotra fa miresaka fotsiny amin’ny mpamily taxi be sy ireo kamiao vaventy mifamezivezy eraky ny tanàna dia mipoitra eo ny marina rehetra sy ny hoe iza no manao inona.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT