Fandriampahalemana

Polisim-pirenena Olon-dratsy 255 tamin’ireo1442 nosamborina no maty


  • Zoma 02 Jona 2023

Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.

Olona miisa 54 kosa no avotra teo am-pelantanan’ny mpaka an-keriny ka ny 07 tamin’izy ireo dia varira avokoa. Basy samihafa 394 isa kosa no tratra teny amin’ireo jiolahy. Teo koa ireo fahana basy miisa 931 sy dinamita miisa 17 izay tratra. Mikasika ny zava-mahadomelina dia rongony milanja 14.287,41kg sy 26 gony ary 218 fonosana no sarona miampy zava-mahadomelina mahery vaika milanja 3,107kg sy 20 cocottes ary 46 daozy. Ho an’ny halatra lavanila maintso na voakarakara kosa indray dia milanja 3.972,27 kg no tratra ka nogiazana. Tsy latsa-danja amin’ireo ny raharaha mahakasika ny herisetra noho ny mahalahy na mahavavy izay nahatratra 8.856 no voavaha tamin’ireo olana miisa 11.293 voaray. Manome salan’isa 78, 42% izany amin’ny ankapobeny ka ireo vehivvay no tena betsaka lasibatra.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT