Fandriampahalemana

Polisim-pirenena Nahazo fitaovana ny USI sy ny UIR ary ny SAG


  • Alarobia 17 Jona 2020

Notoloran’ny ministra fitaovana Notoloran’Andriamatoa Minisitry ny filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys fitaovana ho enti-miasa ireo andiany manokana eo anivon’ny Polisim-pirenena (Unité Spécial de la Police Nationale)

 

 

izay ahitana ny Service Anti-Gang(SAG), ny Unité d’Intervention Rapide(UIR) ary ny Unité Spécial d’Intervention(USI), omaly misandratr’andro teny Anosy. Fitaovana toy ny masque à gaz 10, gillet par balle 10, casque 10, radio talkie-walkie 100 ary brassard Police 46 no natolony tamin’izany. Ankoatra ireo fitaovana ireo dia notolorany fanafody ihany koa ireto polisy ireto. Ireto andiany manokana ireto dia najoro hisedra ireo asan-jiolahy mahery vaika toy ny fanafihana mitam-piadiana, ny fakana an-keriny. Natao indrindra ho amin’izany ireto fitaovana vaovao ireto. Ankoatra ny teny famporisihana sy fankaherezana ireto polisy miasa amin’ny andiany manokana ireto amin’ny fiatrehana ny asa sarotra sy mafy atrehany dia nanipika ny minisitra fa tokony hokojakojaina ireto fitaovana ireto ary hampiasaina amin’izay tena hilana azy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT