Fandriampahalemana

Polisim-pirenena Miampy 745 ireo amperinasa


  • Sabotsy 23 Desambra 2017

Tontosa omaly ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo polisy vaovao niisa 745 mianadahy, tao amin’ny Sekolim-pirenen’ny polisy tao Antsirabe.

Ny 100 mianadahy tamin’izy ireo dia inspektera ka nisy 11 no vehivavy ary 645 kosa ireo “Agent de Police” ka 41 kosa no vehivavy. Miavaka ireto andiany ireto raha ny fitanisana satria dia tena efa mpianatra manana mari-pahaizana ambony ny akamaroany, misy ny manana diplaoma “Maîtrise” sy “Master II” amin’izy ireo. Tena mbola tanora izy ireo satria 31 taona ny salan-taonan’ny Inspektera raha 26 taona kosa ny salan-taonan’ny “Agent”. Ny kaomisera Prinsipaly Tsaramonina Ravony Victor no mpiahy azy ireo. Miavaka ity andiany ity raha ny nambaran’ny Talen’ny sekoly, ny kaomisera Divizionera Talily Damy satria nisantatra ny fanamafisana indray ny fitsipika sy ny fanajana ny ambaratongam-pahefana sy ny hakingana. Porofon’izany ny tsy maintsy nandroahana mpianatra niisa 2 sy mpianatra miisa 3 voatery namerin-taona. Tombony ho azy ireo koa ny habetsahan’ny fizaran’asa ivelan’ny sekoly sy ny fifanakalozana tamin’ny mpampiofana hafa ivelan’ireo ao amin’ny sekoly. Hentitra ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier raha nanafatra ireto polisy vaovao ireto amin’ny fandavana ny kolikoly sy ny tsy fivarotana ny fahamarinana sy ny fihafiana amin’ny mena miraviravy eny amin’ny sehatry ny asa.

Caius R.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT