Fandriampahalemana

Polisim-pirenena miady amin’ny kolikoly Mitohy hatrany ny ezaka


  • Alakamisy 03 Aogositra 2017

Anisan’ny ivon-toerana iray voasokajy ho be kolikoly tokoa teo aloha teo ny eny anivon’ny pôlisim-pirenena. Anisan’ny antony nananganana ny “Inspection generale de la police nationale de Madagascar” izany efa ho telo taona izao,

 saingy na izany  aza mbola manana olana ara-pitaovana sy resaka traikefa amin’ny fanatanterahana ny asany ireo pôlisy ao anatin’ ity rafitra iray ity, raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny filaminana anatiny Andrianisa Jean Jacques omaly. Na izany aza anefa dia mitohy hatrany ny ezaka hataon’izy ireo amin’ny ady amin’ny kolikoly izay nomarihin’ity Ministra ity manokana fa efa tena nihena. Nisy nanomboka omaly ny atrikasa famoahana ny vokatry ny fanadihadiana iray niarahana tamin’ny sampandraharaha DCAF avy any Geneve  izay rafitra iray misy ny IGPN. Haharitra roa andro izany ka anisan’ny tanjona ny hahafahana manatsara hatrany ny fomba fiasan’ny tsirairay manoloana ny ady amin’ny kolikoly sy ny asa  tanterahiny eto amintsika. Mikasika ny tsy fandriampahalemana miseho lany etsy sy eroa dia nanambara ny Ministra fa hisy ny fepetra manokana horaisin’izy ireo miaraka amin’ny Fitondram-panjakana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT