Fandriampahalemana

Polisim-pirenena Mankasitraka hatrany ireo polisy mendrika


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Misy ireo polisy dia tena masiaka sy manampatra fahefahana mihitsy eny an-dalana eny rehefa misy mpamily tsy manara-dalàna.

Mikaonty avokoa anefa ireny fihetsika ireny amin’ny ankapobeny. Mialohan’ny hanasaziana mantsy dia tokony hisy hatrany ny fanabeazana sy ny fampianarana tahaka ny nataon’ity polisy iray ity. Fiara iray tsy nanara-dalàna no nampianariny am-panajana ny lalàna tokony ho arahina ka navelany nandeha avy teo.Ny Praiminisitra lehiben'ny governementa nanao fanatajahantena maraina no nahita ny fihetsika sy fampianarana nataon'ity Polisy ity ka nanatona azy ary nankasitraka azy feno tamin'ny fomba fiasany. Notoloran'ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka mari-pankasitrahana araka izany ilay Polisy, ary nahazo fanamiana vaovao avy amin'ny Praiminisitra ihany koa izy hoentiny manatanteraka ny asany. Fihetsika mendrika alain-tahaka tahaka izany no tokony hataon’ireo polisy namana hafa rehetra fa tsy ny haka vola sy hanasazy hatrany na koa hivazavaza.
Nangonin’i Pati
Legende : Nahavita ny asany ara-dalàna ity polisy ity
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT