Fandriampahalemana

Polisim-pirenena Hetsika ara-tsosialy no nanamarihana ny faha 59 taona


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Feno 59 taona omaly faran’ny volana septambra ny polisim-pirenena. Hetsika maro samihafa no nentin’izy ireo nanamarihana izany.

 

 

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon 'ny Ministry ny filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Randrianarison Fano no nanomezany ny teny filamatry ny Ministeran'ny filaminam-bahoaka manao hoe : " polisy miaro sy manampy ny vahoaka" , ka saika niompana tamin'izany avokoa ny hetsika fankalazana rehetra. Nisy ohatra ny fanomezan-dra maimaimpoana notanterahin’izy ireo tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha hanampiana ireo marary mila ra. Nisy ihany koa fizarana ny laharana hahazoana ny polisy sy ny fanentanana momba ny ady amin'ny valan'aretina covid-19. Tsy ireo polisy irery ihany anefa no nanao izany fa tao ihany koa ireo polisy vavy sy vadina polisy izay nizara ny laharana hahazoana ny Polisy no sady nanentana ny olona mba hiaro tena manoloana ny valan’ aretina covid-19 ihany koa. Farany izay tsy kely akory dia nanadio ny birao fiasany ihany koa ny polisy omaly ho fiarovan’izy ireo ny tenany sy ireo olona manan-draharaha ao aminy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

  • Miaramila 7 nanao jiolahy
  • Talata 28 Aprily 2026

Nanasa tànana ny Fanjakana…

  • Fanafihana
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

mitam-piadiana mpiasan'ny Jovenna

Hijery ny tohiny
FTT