Fandriampahalemana

Polisim-pirenena Hanatona kokoa ny vahoaka


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

50 no isan`ireo polisy hanatevin-daharana ireo efa am-perinasa, ka 30 no ``Officiers de police`` ary 20 kosa niofana ``Commissaires de police``.

Andro iray toa zato ny zoma 23 febroary lasa teo ho an`ny polisim-pirenena satria  andro natokana namoahana ara-pomba ofisialy ny Andiany “MAHERY” izay mpianatra ho polisy nanovo fiofanana nandritra roa taona tao amin’ny “Ecole Nationale Supérieure de Police” (E.N.S.P) etsy Ivato. Nanotrona ny famoahana ara-pomba ofisialy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Nambarany fa iankinan`ny fampandrosoana ny vahoaka ny tsy fandriampahalemana ary ataony laharam-pahamehana tokoa amin`ny Fisandratana 2030. Tsy misy fandrosoana vanona, hoy hatrany ny tenany, raha toa ka miaina anaty tsy fandriampahalemana ny vahoaka.   Manana finiavana ny eo anivon`ny polisim-pirenena satria mijery ny mety hiombonana, hiraisana, hoentina hitadiavana paik'ady mendrika kokoa sy rariny kokoa mba hanatsarana ny endriky izany polisim-pirenena izany. Maro ny ady hatrehana toy ny ady amin’ny kolikoly, izay notsipihany mazava tokoa, ny fampanajana ny fitsipika ary indrindra ny ady amin’ny jiolahy. Raha tsiahivina, ny taona 2015 no nametraka politika ankapoben`ny minisiteran`ny Filaminam-bahoaka ny fampanatonana bebe kokoa any amin`ny vahoaka ny polisim-pirenena. Io ilay antsoina hoe Polisy manantona ny vahoaka na ``police de proximite``. Tsy ho efa nefa izany raha tsy mitombo ny isan`ny Polisy. Noho izany nanapa-kevitra ny Ministeran`ny filamin-bahoaka fa handray mpianatra miisa 650. Manoloana izany, manamafy ny rafitra an-tanatohatra eo amin`ny fibaikoana mba hahamarin-toerana ny andrimpanjakana ny polisim-pirenena mba hananan`ny vahoaka fahatokisana hatrany. Manaraka ihany koa, mivonona hanatsara ny fomba fiasany ny polisim-pirenena, indrindra amin`ny alalan`ny fampiharana ny vina efa napetraky ny minisiteran`ny filaminam-bahoaka hatramin`izay. Izany no hatao mba hanakaikezana kokoa ny vahoaka sady ny teny filamatry ny Polisim-pirenena dia hoe ``Mijoroa mba ho rehareha``.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT