Fandriampahalemana

Polisim-pirenena Enga anie ka ho tsara tahaka ny trano ny fomba fiasa


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Taorian'ny fitokanana ny fitaleavam-paritra tany amin'ny faritra Ihorombe dia nahazo ny anjarany ihany koa ny faritra Analanjirofo.

Tonga nitokana izany tany an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina. Nambarany nandritra ny lahateny nataony fa fotodrafitr'asa manakaiky vahoaka, ilain'ny vahoaka no atao ary mendrika ny vahoakan'Analanjirofo izany. Na izany aza anefa dia mitaky toe-tsaina mendrika sy fomba fiasa mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka ihany koa ny foto-drafitrasa natokana ho an’ny polisy tahaka itony. Misy amin’ireny polisy ireny mantsy dia mampitaraina vahoaka fotsiny. Vao tamin’ny herinandro teo ohatra dia polisy iray no nanosika mpitondra bisikileta teny Anosibe ka tapaka ny tanan’ity farany. Raha araka ny fantatra dia nandeha tamin’ilay lalana fandehanana mafy ilay bisikileta noho ny tsy fahalalany. Tezitra mafy noho izany ilay polisy ka nanaotao foana nefa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ihany koa. Ankoatra ny tranga tahaka ity farany dia maro amin’ireo polisy ihany koa no variana maka vola amin’ny fiara sy ny mpitondra moto fotsiny ka ilana fanovana. Ny toe-tsaina miova mantsy no mampandroso fa tsy trano tsara tarehy irery fotsiny ihany. Andrasana araka izany ny fiovan’ireo polisy mbola manao izany eto amintsika na aiza na aiza faritra misy azy. Ho an’ireo izay tratra kosa dia tokony handraisana fepetra hatrany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT