PM_Famatsiam-bola

ny asa fampihorohoroana


  • Talata 19 Mey 2026

Misy vola miparitaka eto na tsy isehoana fampihorohoroana goavana aza »

Nanomboka omaly ary haharitra dimy andro ny atrikasa mikasika ny fanasaziana ara-bola avy amin’ny filankevitry ny filaminana ireo olona sy antokon’olona sy sokajin’asa mamatsy vola ny asa fampihorohoroana na fanapariahana ny fitaovam-piadiana mahery vaika. « Anisan’ny fepetra hanombanana an’i Madagasikara, ka ny volana jolay no ho avy eto ny mpanombana, hijery ny tena zava-misy hanombanana ny naotintsika », hoy ny Praiminisitra sady Tale Jeneralin’ny SAMIFIN Atoa Mamitiana Rajaonarison omaly. Tafiditra anatin’ny « recommandations » an’ny GAFI (Groupe d’Action Financière) farafaharatsiny 4 na 5 no voakasika, hahafahana manatsara ny didim-panjakana efa misy sy ny fampiharantsika farany, ka io fampiharana io no tena jerena fa tsy ny lalàna efa navoakantsika, raha ny fanazavany. Misy ny vola miparitaka amin’ny fampihorohoroana eto amitsika na tsy isehoan'ny tranga fampihorohoroana goavana hoy hatrany ny praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana . Hamafisina manoka eto ny paikady hiadiana amin’io tranga io amin’ny alalan’ny fametrahana didim-panjakana mba ahafahana miroso amin’ny fanombanana tanterahan’ireo mpiara miobon’antoka amin’i Madagasikara. Tsy namaly ny Praiminisitra mikasika ny resaka famatsiam-bola na fampidiraa vola mikasika ny asa fanakorontanana sy fikasana hisiana fanonganam-panjakana amin’ny hoe : mety nisy famatsiana vola avy any ivelany na fifandraisana mifandraika amin’izay ve ? Ankoatra izay, nilaza ny lehiben’ny governemanta fa tsy olana fototra ny kolikoly fa manome « tolérance 0 » ho an’ireo mpiasam-panjakana rehetra ny rafitra miady amin’ny kolikoly amin’izao fotoana izao, izay hiadiana avokoa ny kolikoly amin’ny endriny rehetra. Hiompana amin’ny fanenjehana ireo mpiasam-panjakana ambony mpanao kolikioly ihany koa ny paikady amin’izao fotoana izao. Vaindohan-draharahan'ny politikam-panjakana ny ady amin'ny kolikoly mifandraika amin'ny filàn'ny vahoaka toy kolikoly amin'ny fampidirana rano na kolikoly eny anivon'ny fanabeazana sy ny maro hafa, izay sokajiana ho maika sy laharam-pahamehana. Hamafisina ihany koa ny paikady izay azo ampiharina avy hatrany, indrindra amin'ny ady atao amin'ny kolikoly avo lenta ary ifantohana manokana ny fanenjehana ireo trondro vaventy na mpiasam-panjaka ambony eo amin'izay famongorana ny mpanao kolikoly izay hatrany, ary tsy misy ny fandeferana raha ny fanazavana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT