Lehilahy iray, 21 taona no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Compagnie urbaine d’intervention(CUI 1) teny amin’ny Petite Vitesse,
rehefa avy nanendaka. Tokony ho tamin’ny 05 ora sasany maraina no nandalo teny amin’ny faritra Petite Vitesse iny ny Polisy mpanao fisafoana avy ao amin’ny CUI 1. Tamin’izany izy ireo no nantonina lehilahy iray ary nitaraina ity farany fa nisy nanendaka tsy lavitra teo ka very tamin’izany ny findainy sy ny vola 300.000 Ar. Nikaroka avy hatrany ilay olon-dratsy ny Polisy ka lehilahy iray no tratra teny amin’ny manodidina. Nohamafisin’ilay voaendaka moa fa tena io voasambotra io ilay nanendaka azy. Tamin’ny fisavàna azy moa dia nahitana antsy maranitra tany amin’ilay mpanao ratsy. Nentina teo anivon’ny Sureté Urbaine de Tana (SUT) avy hatrany ilay olon-dratsy mba hanaovana fanadihadiana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpanendaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.