PARAKY SY 67 HA

Jiolahy roa indray lavon’ny polisy


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

Jiolahy miisa roa efa mpamerin-keloka amin’ny resaka fanendahana mampiasa

fitaovam-piadiana no lavon’ny SAG tetsy Paraky sy teny 67 ha ny Zoma 14 Febroary lasa teo. Olon-dratsy samy efa mampikolay ny mponina eny amin’ny faritra misy azy ireto lavo ireto ary efa nokarohina efa ela no izao nifanehatra tamin’ny Polisin’ny SAG izao. Mbola nanohitra sy nikasa hampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ihany izy ireo nandritra izany fa tsy nety nilavo lefona ka voatery nitifitra ny polisy. Mbola misy naman’izy ireo karohina koa. Mpanendaka sady mpanao sinto-mahery roa hafa ihany koa no azon’ny Polisin’ny SAG sambo-belona teny Isotry raha tratra ambodiomby teo am-panendahana mpiantsena ny Sabotsy 15 Febroary 2025. Noraisim-potsiny ireto roalahy ireto ary tsy afa-nanohitra intsony. Pati
Legende : Nahazo saran-dalana ho an’ny varo tsy mifody ireto jiolahy roa ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT