PARAKY SOANIERANA

Mirongatra ny asan-jiolahy, misy foana ny voaendaka


  • Talata 03 Septambra 2024

Olona 3 isan-kerinandro raha kely no voaendaka etsy Paraky, Boriborintany fahaefatra ao anatin’ny herinandro.

Isan-kariva manomboka amin’ny 06 ora sy sasany any ho any no tena hitrangan’izany ka ireo mpiasa tara fodiana no tena lasibatra. Vao andro vitsy lasa izay dia fantatra fa mpivady avy nirava niasa no nendahin’ireo jiolahy tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ny peratra teny amin’ny tananan’izy ireo niampy finday. Mbola norovitin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny antsy ihany koa ny tananan’ilay Raim-pianakaviana nandritra izany. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny an-toerana dia efa misy hatrany ny fitarainana hataon’izy ireo amin’ny Fokontany sy ireo tompon’andraikitra eny ifotony saingy tsy mbola misy ny vahaolana hatreto. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny Fitondram-panjakana araka izany izy ireo indrindra ny hanafoanana ireo tovolahy marobe mpijorojoro eny amin’iny faritra iny. Misy hatrany mantsy izany, tovolahy izay marihina fa saika tsy an’asa avokoa nefa mamelom-bady aman-janaka. Voatery manaotao foana mamono sy mambotry ny mpiara-belona aminy izy ireo vokatr’izany raha tsy lazaina intsony ny mety ho fandraisana zava-mahadomelina. Pati
Legende : Eto amin’ity tetezan’i Paraky ity mihitsy no tena fanararaotan’ireo mpanao ratsy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Hijery ny tohiny
FTT