Fandriampahalemana

Paolo Emilio R « Misy ny zandary lasa dahalo manara-penitra »


  • Alarobia 20 Desambra 2017

Maro ny tantsaha mpiompy sy mpamboly no mitaintain-dava sy mbola miafina any anaty ala noho ny tahotra ny asan-jiolahy na fanafihan-dahalo.

Tranga iray notaterin’i Paolo Emilio Raholinarivo , administratera sivily sady mpanolotsain’ny praiminisitra ny tany amin’ny fokontanin’i Soarano, 45 km atsimo andrefan’Ambalavao ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa. Misy olona tonga mitsirika ny ao an-tanàna ary mizaha izay fianakaviana manana omby maromaro, mihoatra ny 40 isa raha ny fitantarany. Rehefa vita izany dia lasa mandeha ireo olona mpitsirika ary miverina miaraka amina andiana zandary manodidina ny 20 lahy eo ary maka ireo omby. Tena misy ny zandary manao dahalo manara-penitra, hoy i Paolo Emilio any ambanivolo any ka mila jeren’ireo lehibe. Tsy ny zandary rehetra, hoy izy fa misy kosa no manao io asa ratsy io. Afaka mifanandrina sy miady amin’ny tena dahalo ny fokonolona, saingy matahotra kosa rehefa mpitandro ny filaminana toy ny zandary no mivadika ho dahalo na manampy ireo andian’olona mpampahory sy mampihorohoro vahoaka any ambanivolo amin’ny alalan’ny tsindry maro samihafa, hoy ity mpanolotsaina ny praiminisitra ity. Antso avo no atao ho an’ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra mba hijery akaiky io resaka dahalo ambony latabatra sy dahalo manara-penitra io fa mijaly ny vahoaka, hoy izy. Fahotana ve ny fananana omby maro ankehitriny ? Sa ve atao mihitsy izay tsy hananan’ny Malagasy tany hamboleny sy tsy hisian’ny omby eto intsony amin’izay mahazo tombony ireo mpanao bizna mpanafatra vary sady tsy manana ny maha izy azy intsony isika ? Tafiditra ao anatin’ny kolontsain’ny Malagasy tanteraka mantsy ny omby. Tsy maintsy mijoro izahay mijery izay maharary ny olona, manentana azy ireo ho sahy hanohitra ny jiolahy ihany koa amin’ny alalan’ny andrimasom-pokonolona sy ny dina raha toa ka mitavozavoza, hoy i Emilio Raholinarivo.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT