Fandriampahalemana

Paikady vaovaon’ny zandarimariam-pirenena Tratra ny tanjona tany Vatovavy Fitovivany


  • Alakamisy 30 Novambra 2017

Nidina ifotony tany amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, izay notarihan’ny jeneraly Tsirivelo Nicolas,

 

 talen’ny kabinetra eo anivon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria notronin’ireo manamboninahitra jeneraly sy manamboninahitra ambony avy ao amin’ny fibaikoana ny Zandarimaria, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ho fanamafisana ireo fanentanana sy baiko nomena no antony lehibe nanaovana izao tomban’ezaka izao ary nijery ny vokatra azo. Nandritra izany no nilazan’ireo lehiben’ny zandary fa nisy ny vokatra nandritra ny fametrahana ireo paik’ady vaovao ireo, ka tohizana amin’ireo baiko hafa. Tany amin’ny Distrikan’i Vondrozo, Ifanadiana, Antsenavolo ary Vangaindrano no nanaovana ny bemidina. Tratra ny tanjona amin’ny ankapobeny na dia mbola mitohy hatrany aza ny ezaka fametrahana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy. Mbola nanao antso avo hatrany ny Zandarimariam-pirenena mba hiara-kiasa hatrany amin’ny hery rehetra hamongotra ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin’ny kolikoly. Mbola hitohy hatrany izao hetsika izao aorian’ny fe-potoana vaovao nomena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT