Fandriampahalemana

Operation pick-pocket Lehilahy 2 no tratra teny Andohatapenaka


  • Zoma 10 Septambra 2021

Lehilahy miisa 02 no saron’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny 67ha andro vitsy lasa izay noho ny resaka fanendahana sy sinto-mahery ary harom-paosy.

 Nataon’izy ireo andrimaso ireo faritra be mpifamezivezy eny an-toerana indrindra fa ireo misy ny toby fiantsonan’ny taxi-be. Anisan’izany ny eo amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe 30 sy ny eny amin’ny Vatobe ary eny amin’ny faritry ny Paositry Malagasy 67 ha.Teny amin’ny Lalamaty/Andohatapenaka no tratra izy ireo ny 08 septambra lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Mbola nahitana fitaovam-piadiana toy ny antsy izay fampiasany mandritra ny fanatanterahana ny asa ratsy teny amin’izy ireo nandritra izany. 16 ka hatramin’ny 32 ny salan-taonan’izy ireo. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa eny amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-be no tena fandraofany ireo mpanao ratsy ka mifindrafindra izy ireo mandritra izany fa tsy mipetraka amin’ny toerana iray.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT