Fandriampahalemana

Opération Harato Misy zavatra tsy mazava


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Jiolahy miisa 4 no maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny alin'ny sabotsy 4 martsa tao Morarano Chrôme, raha tsiahivina ny fampitam-baovao voaray.

2 hafa tao Andranobe Amparafaravola taorian'ny fifanenjehana tamin'ireo jiolahy sy ny mpitandro filaminana, izay tafiditra ao anatin'ilay hetsika "Opération Harato". Tsy mazava amin’ny mpanara-baovao ankehitriny ny mikasika ity hetsika ity. Olona efa voasambotra antsoina hoe Rasolonjatovo Jean Charles na Jady, niaraka tamin’ny rafozany tao Ambohitrarivo, hoy ny fanazavana voaray, no mampametra-panontaniana. Tsy mpanao ratsy ilay rafozany fa nampiantrano io vinantony io fotsiny nefa tonga dia notifirin’ireo mpitandro filaminana satria nanafina mpanao ratsy. Ankehitriny dia mahagaga fa toa anaovana filazana fikarohana indray ilay olona efa voasambotra izay tena efa teo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana mihitsy. Mody navotsotra ve fa nandoa volabe, sanatria, ka alefa mitsoaka dia mody karohina amin’izay rehefa avy eo ity olona efa avy voasambotra ity, hoy hatrany ny fanontaniana?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT