OPÉRATION "BEMIDINA" NATAON'NY POLISY

Olona 55 voasambotra teto Iarivo sy ny manodidina


  • Alatsinainy 17 Martsa 2025

Olona miisa 55 no voasambotra teto an-drenivohitra sy ny manodidina ny herinandro lasa

teo nandritra ilay operation “ Bemidina” nataon’ny Polisim-pirenena. Niaraka tamin’ny CUI (Compagnie Urbaine d’Intervention) Tsaralalana ny USPN (Unité Spécialisée de la Police Nationale ) ka olona miisa 7 no voasambotra noho ny fifohana rongony. 11 hafa koa no tratra noho ny filokàna teny an-dalambe. Ankoatra izay dia vehivavy miisa 9 no nosamborina noho ny fanendahana natao tamin’ny tovolahy 17 taona teny Androndrakely. Fanampin’izay dia tovolahy 18 taona iray no tratra ambodiomby teo am-pangalarana tao Ambohipo, ka voasambotry ny Polisy nanao fisafoana. Mitontaly 28 isa izy ireo Ho an’ny Kaomisaria eny Analamahitsy dia anisan’ny nanaovan’izy ireo hetsika ny tao Soavimasoandro, Ivandry, Soavimbahoaka, Ankerana, Andranoritra/Ambatobe, Akorondrano, Manjakaray, Androhibe/Claire Fontaine, Amboniloha ary Analamahitsy Tanàna. Olona miisa 15 indray no voasambotra tamin’ity hetsika ity ka 3 ireo tratra niloka an-dalambe, iray noho ny fanaovana akanjo miaramila, iray nidoroka zava-mahadomelina mahery vaika, iray nisotro toaka ka nahatonga lozam-pifamoivoizana, 8 noho ny fampikatsoana ny fifamoivoizana raha iray noho ny vono sy ratra niniana natao. Nihetsika koa ny teny Tanjombato nahitana ny Fokontany Ambaniatsimo, Fampiadiana akoholahy, Ambodivoanjo, Magasin M, La Pepito, Ambaniandrefana, Lalamby Ambohimanatrika Ankady. Olona miisa 12 no voasambotra teny an-toerana. Ho an’ny teny Itaosy indray dia Alakamisy 13 Martsa teo dia olona miisa 12 no voasambotra ka nisy tamin’izy ireo no voarohirohy tamin’ny resaka vaky trano, harom-paosy ary fanendahana. Mitontaly 55 mianadahy izy ireo.
Pati
Legende : Maro ireo olona tsy maintsy nosamborina noho ny fandikan-dalana nataony teto an-drenivohitra sy ny manodidina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT