Fandriampahalemana

Oniversiten’i Farafangana Jiolahy iray maty voatifitra, roa nadoboka am-ponja


  • Alakamisy 11 Mey 2023

Tsy milamina ny fandriampahalemana ao Farafangana. Jiolahy miisa 02 no voasambotry ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana andro vitsy lasa izay ka ny iray no maty voatifitra.

Tao Bevoa Farafangana fokontany Mahatsara atsimo no nitrangan’izany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahazo antso avy amin'ny tompon'andraikitra ao amin'ny oniversite ao Farafangana fa misy olon-dratsy tafiditra ao an-toerana. Jiolahy miisa 3 no indray niditra an-keriny ka ny iray nampiasa hery sy fitaovam-piadiana tamin'ilay mpiambina ny oniversite ka voatery niaro tena ireo polisy ka naratra noho izany ilay jiolahy. Mbola tratra teny aminy nandritra izany ny" barre à pince" sy "tourne vis" ary tuyaux gouttières 04. Noentin’ny polisim-pirenena avy hatrany teny amin'ny hopitaly CHRR Farafangana ity jiolahy naratra ity saingy tsy tana intsony ny ainy. Nitohy ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha noho izany ka izany no nahatrarana ireo namany 02 hafa, 30 taona sy 33 taona izay tompon'antoka niaraka nanao fanafihana tamin'ny ity jiolahy namoy ny ainy ity. Niaiky ny heloka vitany moa ireto farany ary fantatra fa efa jiolahy raindahiny amin'ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika rehefa niakatra fampanoavana.
Nangonin’i Pati
Legende : Anisan’ ireo jiolahy rain-dahiny ao Farafangana izy roalahy ireto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT