Fandriampahalemana

Oniversiten’ i Fianarantsoa Tratra ireo lehilahy 2 nangalatra tablette sy solosaina


  • Talata 05 Mey 2020

Lehilahy miisa roa, 25 sy 37 taona no voasambotry ny polisy miasa ao Fianarantsoa noho ny resaka halatra.

 

 

 

Tonga nametraka fitoriana tao amin'ny biraon'ny polisy tao Fianarantsoa ny tompon'andraikitra tao amin'ny Oniversite an'Andrainjato Fianarantsoa nampilaza ny fahaverezana tablettes miisa 33 sy solosaina miisa 10. Araka ny voalazan'ity tompon'andraikitra ity dia vao tamin'ny voalohan'ny volana aprily teo vao tsikariny fa misy entana very tao amin'ny oniversite. Nanokatra fanadihadihana avy hatrany ny polisy vao naharay izany fitarainana izany. Rehefa natao ny fanadihadihana dia fantatra fa mpiambina miasa ao amin'ity oniversite ity ihany ireo jiolahy miisa roa nahavita izao asa ratsy izao. Niroso tamin'ny fisamborana ireo jiolahy avy hatrany ny polisy vao fantatra ny mombamomba azy ireo. Mbola hita tany amin'ireo jiolahy ny tablette miisa 14 sy ny solosaina miisa 05 ary efa naverina any amin'ny tompon'andraikitry ny oniversite. Niaiky ny fahadisoany izy roalahy ireto. Mbola mitohy ny fanadihadihana sy ny fikaroana ireo fitaovana sisa tsy mbola tafaverina. Natolotra ny fitsarana omaly izy roalahy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT