Oniversiten'Antananarivo

Noferana ny ora fidirana sy firavana


  • Talata 14 Jolay 2026

Namoaka naoty ny

Oniversiten’Antananarivo omaly 13 jolay 2026 taorian’ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra Siantifika manoloana ny tranga fahaverezana sy faty olona miseho eto amin’ny firenena. Fanapahana mikendry ny hitandroana ny filaminana sy ny fiarovana anatiny eo amin’ny toeram-pianarana sy toeram-piasana. Mihatra ny fepetra fa ny ora fidirana amin’ny toerana rehetra ao amin’ny Oniversite dia amin'ny 07 ora maraina no aloha indrindra, ary ny ora firavana kosa dia 05 ora hariva no aoriana indrindra. Ankoatra izany, dia tsy maintsy ampiasaina ny kara-pamantarana ho an’ny mpampianatra, mpandraharaha ary mpianatra rehetra. Ny Sojabe sy ny Tale isaky ny sampam-pampianarana no hanara-maso ny fampiharana ireo fepetra ireo, izay mihatra hatramin’ny famoahana fandaminana vaovao. Zava-dehibe ny fandraisana fepetra tahaka izao manoloana ny toe-draharaha. Isan'ny efa nandray fanapahana mitovitovy amin'izao ireo sekoly ambony sasany, toy ny Oniversite Ravelojaona na ny ONIFRA, izay nanapa-kevitra fa mirava amin'ny 3ora tolakandro ny mpianatra ho an'ny tapany hariva, mba hitsinjovana ireo mpianatra sy ho fiarovana amin'ny tranga hafahafa miseho ankehitriny toy ny fanjavonana na fakana an-keriny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT