Fandriampahalemana

Oniversite Maninday Toliara Mandrahona valifaty ny fianakavian’ilay lehilahy nodorana


  • Talata 14 Febroary 2023

Lehilahy iray no nodoran’ny olona ka maty sy may kila forehitra tao anatin’ny faritry ny Oniversite na ny Campus Maninday Toliara omaly maraina manodidina ny tamin’ny 8ora.

Tsy misy hahafantarana azy intsony io olona nisy nandoro io. Tsy fantatra mazava izay tena anton'ny fitsaram-bahoaka fa ao ny miteny hoe namaky trano, misy ihany koa milaza fa nanakana sy saika hanendaka olona tao amin'ny faritry ny oniversite. Misy ihany koa ny filazana hafa fa nanambana basy ireo mpianatra tao Maninday tokony ho tamin’ny 2 ora maraina izy io, ary miisa roa izy ireo fa iray ny iray tafaporitsaka. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha momba ny tena anton. Voalaza kosa, fa nisy mpangalatra tratra ny sabotsy 11 febroary 2023 teo tao amin’ny Campus Maninday ihany‚ efa saika nataon’ny mpianatra fitsaram-bahoaka noho ny firongatry ny halatra ao an-toerana, ka milaza fa leo tanteraka ny mpianatra. Teo anatrehan’ity fandoran’olona ity anefa, nandrahona ny hanao valifaty ny fianakavian’io lehilahy maty nodorana io, ka nihorohoro ny mpianatra tao amin’ny Oniversiten’i Toliara, ary ahiana hihitatra. Efa tonga tamin’ny kazana sakoroka omaly, saingy niditra an-tsehatra nifehy ny toe-draharaha ny Mpitandro filaminana. Manoloana ity toe-draharaha ity, namoaka fanambarana ihany koa ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny Pr Salava Julien. Nanambara mazava fa: manameloka tanteraka ny fandatsahana aina na inona na inona antony; miantso ny tompon’andraikitra mahefa rehetra mba handray andraikitra tandrify azy manoloana io toe-javatra io; manainga ny rantsa-mangaika rehetra hiara-mientana ho amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra eo anivon’ny toeram-ponenana sy toeram-pianaran’ny mpianatra eny anivon’ny Fampianarana ambony. Tsara ny manamarika fa tsy vao sambany no nisian’ny fitsaram-bahoaka teny anivon’ny toeram-ponenan’ny mpianatra, fa saika efa nahitana izany avokoa na tany Toliara, Fianaratsoa, Antananarivo,… ary nitovitovy ny endrika nisehoany. Isan’ny antony iray tsy mampilamina ny fisian’ny gaboraraka satria raha ny ao Toliara, ohatra, dia fanamarihan’ny mpianatra ny fifangaroana eo amin’izy ireo sy ny olon-tsotra noho ny fanorenana any anaty faritry ny oniversite,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT