Fandriampahalemana

Omby 4 very tany Marofody Tany amin’ny kaominin’i Mandialaza no hita


  • Talata 12 Mey 2020

Omby vositra 4 no very nangalarin’ny jiolahy tany amin’ny tanànan’i Marofody 50 km miala an’i Moramanga raha ho any Ambatondrazaka ny alin’ny 5 hifoha 6 mey 2020

 

 

 lasa teo ka rehefa nanaovan’ny fokonolona sy tompony ary ny mpitandron’ny filaminana niaraka fanarahan-dia , dia tany anaty ala teo anelanelan’i Mandialaza sy Magamila any amin’ny 80 km miala an’i Moramanga mankaty Anjozorobe no hit any alakamisy 7 mey lasa teo. Tsy tratra kosa anefa ireo mpangalatra fa efa lasana nitsoaka ary dia niverina niaraka tamin’ireo omby ireo mpanara-dia noho ny tahotra fa tena mangingina be ilay toerana. Mangataka ny hanaovana famotorana manokana ny any an-tanànan’i Marofody ireo fokonolona satria manahy ny fisian’ny olona ao an-tanàna miray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy nahafahan’ireo omby nivoaka tao ambala izay saro-dalàna tokoa raha tsy olona efa mahafantatra ny toerana. Faharoa dia mangataka ny hanaovana famotorana any amin’ilay toerana nahatrarana an’ireo omby koa ireto fokonolona ireto fa matetika loatra ny hatrarana omby halatra any amin’ity toerana ity ary matetika dia ny hoditr’omby novonoina sisa tratran’ny tompony eo. Ahiana mifandray amin’ny mpivaron-kena mivantana, araka izany, ireo mpangalatra ny omby any amin’ity faritra ity izay tsy maka afa-tsy omby vositra.

 Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT