Ombin-tsarety very tao Alarobia Ambatomanga

Tratra tao anaty taksibe ny henany milanja 90 kg


  • Zoma 19 Aprily 2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

no voatery nosavain’ny mpitandro ny filaminana omaly Alakamisy tany amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Fantatra tamin’izany fa henan’ireo ombin-tsarety miisa 2 very tany Ankadimbazimba, kaominina Alarobia Ambatomanga ireo hita tao anaty fiara fitateram-bahoaka ireo. Ny taolany sy ny taovan’ireo omby kosa sisa no hita tany an-tanana. Lehilahy iray no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny PosteAvance Masindray vokatr’izany ka nalefa nohadihadiana ao amin’ny Poste Avance Alarobia. Raha ny fantatra moa dia anisan’ny fika hampiasain’ireo mpangalatr’omby indray amin’izao ny mivarotra ny nofony ivelan’ilay tanana nisian’ilay halatra ka ny taolany sy ny taovany sisa no avelany ho hitan’ireo tompony.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana tratra sy ilay nofon-ken’omby tratra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT