Fandriampahalemana

Olona nanao heloka tsotsotra Hovotsoran’ny polisy aloha


  • Zoma 16 Jona 2017

Araka ny voafaritry ny lalàna dia 48 ora ihany ny fe-potoana hahafahana mitazona olona eny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana, ka na havotsotra izy ireny na hatolotra ny fitsarana. Amin’izao fotoana izao dia misy ilay fitokonan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana,

 ka nandray fanapahan-kevitra mikasika ireo olona voatazona eo anivon’ny mpitandro filaminana. Rah any fanazavana nomen’ny Kaomisera Ranaivoso Alexandre, tompon’andraiky ny serasera eo anivon’ny polisim-pirenena, dia alefa halefa mody ireo nanao heloka tsotsotra rehefa voaray ny mombamomba azy ary miverina izy amin’ny fotoana manaraka. Misy kosa ireo sokajy hafa izay mpisolovava no miantoka azy sy miantoka ny fiverenany any amin’ny polisy rehefa misokatra ny fitsarana.  Ireo nanao heloka bevava indray dia maka ny hevitra avy any amin’ny fitsarana ny polisim-pirenena ary tazonina izy. Tsy ny fitazonana olona eny amin’ny polisy ihany no lasa misy olana noho ny fitokonan’ny mpiraki-draharaha fa fitsarana manontolo. Hatramin’ny nisian’ny gravy dia niveri-maina ireo manan-draharaha. Mikasika ireo manamboatra antontan-taratasy dia nilaza ny mpiraki-draharaha fa hitombo avo roa heny ny « casier judiciaire » avoakan'ny firaketan-drarahan’ny fitsarana aorian’ny fiverenan’ireo mpiraki-draharaha mandray ny asany. Marihana fa manodidina ny 400 isan’andro eo ho eo ny « casier judiciaire » avoakan’io sampandraharaha io, izany hoe hitombo hatrany amin’ny 800.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT