Olona maty notifirina tao Antsalova iray volana lasa

Holanjain’ireo Tandroy eny amin’ny lehiben’ny distrika anio


  • Zoma 02 Mey 2025

Na dia efa ho feno iray volana aza ankehitriny ny trangana fitifirana zaza tsy ampy taona

miisa 2 sy lehilahy 1 tao amin’ny fokontany Antsalovabe, kaominin’Antsalova, distrikan’Antsalova, faritra Melaky, dia mbola tsy mety miravina hatramin’izao ny disadisa eo amin’ny lehiben’ny distrika ao an-toerana sy ny fianakavian’ireo niharam-boina, miaraka amin’ny fikambanana Tandroy izay miahy ny Ray aman-dRenin’izy ireo ao Mahajanga. Nambaran’ity fikambanana ity fa ity lehiben’ny distrika ity no namono nitifitra ka nahafaty ireo niharam-boina ary efa niaiky koa ity tomponandraiki-panjakàna ity fa diso ny fiampangan’izy ireo fa dahalo ireo olona notifiriny tamin’ireny fotoana ireny. Vokatr’izany dia manery ity lehiben’ny distrika ity ny fianakaviana sy ny fikambanana mba hanatanteraka ny fomba, araka ny voarakitra anatin’ny dina, dia ny fomba fanao amin’ny «Tafaraha» izany. Raharaham-pihavanana no andrasanay amin’ny lehiben’ny distrika, hoy ny solontenan’ireo fianakaviana, mba hahafahanay mandevina araka ny tokony ho izy ny havanay kanefa dia narirariran’io tomponandraiki-panjakàna io foana izahay tao anatin’izay 1 volana latsaka kely izay. Ny 15 aprily teo no nanaiky nifampidinika farany io tomponandraikitra io ary taorian’izay dia tsy hita tao amin’ny biraony intsony fa ny sekreterany hatrany no tratra ao. Voatery izahay, hoy hatrany ny fikambanana tandroy, noho izany, hitondra ireo razana eny amin’ny biraon’ny lehiben’ny distrika ny 2 may 2025 (TTF : anio).
Nangonin’i J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT